Ilazana ny mpianatra sekoly alahady sy ireo rehetra izay maniry handalina ny Tenin’Andriamanitra fa amin’ny alahady 25 Septambra amin’ny 8 ora ny fidirana.
Fikambanana SAKAIZAN’NY ORIMBATO – faha-50 taonany
Boky faha 185 taona Maritiora
Fiadanana! Indro aseho antsika ny sary eo amin’ny fonon’ny boky faha 185 taona Maritiora izay avoakan’ny Lehilahy Midera natao hamantarantsika mpianakavin’ny finoana eto @ FJKM Tranovato Ambatonakanga ny tantaran’ireo maritiorantsika sy momba ny lalantsara Rasalama. Nalaina tamin’ny lahatsoratra MADAGASCAR’S GIRL MARTYR nosoratan’i Harold Arthur RIDGWELL tamin’ny taona 1932 ary nadika amin’ny teny malagasy ny taona […]
Faha-185 taonan’ny Maritiora
Hanamarika ny faha-185 taonan’ny Maritiora isika FJKM amin’ny Alahady faha 14 Aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa ny 14 Aogositra 1837 no nandefonana an-dRasalama, Maritiora malagasy voalohany, teny Ambohipotsy. Hanatanteraka Toriteny an-kira ny Lehilahy Midera ao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’io Alahady maraina io. Fiaraha-miasa amin’ny Vaomieran’ny Fananana izay tompon’ny fotoana araka ny fandaminana eto amin’ny fitandremana […]
Alahadin’ny vita fanamasinam-panambadiana sy fitondrana am-bavaka ny sekoly FJKM – Alahady faha 12 Jona 2022
Ny Alahady faha 12 Jona 2022 dia alahady iray tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny jobily fisotron-drononon’ny mpitandrina RAZAFINIARIVO Fidison Maxime. Noraisin-tanana nandritra izany ireo olona nohamasinin’ny mpitandrina fanambadiana tao anatin’izay 27 taona nitandremany ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga izay. Anisan’ny lohahevitra nodinihina tamin’io Alahady ny hoe “tokantrano anjakan’i Jesoa”. Nanodidina izay lohahevitra izay […]
Seho ara-pilazantsara – 140 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady
« Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao » Salamo 119: 111a Ny Sampana Sekoly Alahady sy ny Komitin’ny faha-140 taona dia faly manolotra ho antsika Seho ara-pilazantsara hiarahana amin’ny Tanora Masina Itaosy ny Alahady 12 Jona amin’ny 2 ora sy sasany eto amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Tsy misy vidim-pidirana fa valopy no ho zarainaFilan-kevitra: 034 87 […]
Kaoferansa lehibe – Ny fitadiavam-bola eo anivon’ny fiangonana araka ny Soratra Masina
« Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro » II Kor 4, 15 Ny 19 Jona 2022 amin’ny 03 ora tolakandro dia hisy ny kaoferanse lehibe momba « Ny fitadiavam-bola eo anivon’ny fiangonana araka ny Soratra Masina » ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Mpitarika: Atoa RAMANONJIARISOA […]
FIZAHANA MASO ANDIANY FAHATELO
04 sy 11 Jona 2022 Tonga indray ny andiany fahatelo amin’ny hetsika Fizahana Maso karakarain’ny SAMPATI Andrin’ny Finoana, izay anatin’ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroana hatrany. Izany dia natao mba hitsinjovana antsika izay tonga nijery maso tamin’ny andiany voalohany ka tokony hanao ny “contrôle” ary ihany koa ho an’ireo izay naniry ny hanatrika ireo andiany […]
Fisaorana: Fanokanana SLK FJKM Fiarenana Antanimora
Fanokanana ny SLK ANTANIMORA – Sampana Lehilahy Kristianina
« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » ASA 20:35 Finaritra! Noho ny fahasoavan’ny Tompo dia hiroso amin’ny fanokanana ny Sampana Lehilahy Kristiana tafajoro indray ao amin’ny Fonja ANTANIMORA ny Aumônerie FJKM miasa eny amin’izany toerana izany ny Alahady 22 May ho avy izao. Ankoatra ny fanompoam-pivavahana dia hanolotra Amboarankira manokana ny LEHILAHY MIDERA izay solotenantsika FJKM Tranovato […]