Fizarana valisoa ho an’ireo mpianatra afaka fanadinana ara-panjakana (taom-pianarana 2019-2020) Ilazana ny mpianatra rehetra afaka fanadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, BACC, Licence, Master, sns) fa hotontonsaina ny Alahady 14 Martsa 2021 mandritry ny fotoam-pivavahana ny fizarana valisoa ho azy ireo. Asaina avokoa ireo voakasik’izany. Homba antsika hatrany ny Tompo.
Vavaka sy fifadian-kanina
ALAHADY, faha-27 DESAMBRA 2020
ALAHADIN’NY SEFALA FJKM (Fandaharana iombonana) “MANAIKY AN’ I JESOA MESIA NY MINO ” FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (Sal. 66, 1-4) Mpitarika : «Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra; mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. Lazao amin’Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.» Iarahana: […]
Amboarankira noely 2020 iaharahana amin’ny antokom-pihira Orimbato
JOBILY FAHA-25 TAONA NIARAHA-MIASA TAMIN’NY MPITANDRINA
» « Fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina » Heb 13 :17b Ry Havana, mba afahantsika manomana tsara ny fiatrehana ny famaranana ny fankalazana, dia atolotra antsika ny hira fanevan’ny jobily, « ILAY VOAHOSOTRAO ».
MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO
ALAHADY, faha-22 NOVAMBRA 2020 FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (Sal. 127, 1 ; 128, 1-4) Mpitarika : «Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy; raha tsy Jehovah no miambina ny tanana, dia miaritory foana ny mpiambina. Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny lalany. Fa hohaninao tokoa […]
Fanompoampivavahana Alahady 15 Novambra 2020
🔴 Fotoam-pivavahana mivantana Alahady 08 Novambra 2020
Alahady fanombohan’ny iray volan’ny Fankalazana ny faha-25 taona niaraha-niasa tamin’ny Mpitandrina. Tanterahina mandritra ny fotoam-pivavahana ny fanolorana mari-pahatsiarovana Batisa