Mamonjy amin’ny fahotana ny Tompo

« Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Raha manaiky sy mankatò ianareo»
(Isa. 1, 18s)

Ny fahotana, na dia afenina aza, dia mivandravandra eo imason’Andriamanitra. Mangatrakatraka sy midorehitra izany, ka mampiharihary ny faharatsian’ny ota. Loza sy fahafatesana no tambin’izany, ka izay rehetra tratrany dia simba sy marary ary potika tanteraka. Ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra kosa dia ny fanafahana ny olona amin’ny fahotana rehetra. Manam-panafana ho an’izany Izy, ka na toa inona na toa inona halehiben’ny fahotana, dia vitan’Andriamanitra ny manaisotra sy manadio ary mamafa tanteraka an’izany.

Ny olana mpitranga, dia ireto telo ireto:

  • Inian’ny olona adinoina fa « fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.» (Rom. 6, 23)
  • Tsy mety miaiky ny fahotany ny olona, satria heveriny fa mampietry azy ny fanaovana an’izany. Tsy te hiseho hoe ratsy sy diso, ka dia, indro, fa miafina ao anatin’ny fanamarinan-tena kararavina.
  • Tsy matoky izy hoe tena afaka manaisotra ny fahotana be vitany ny Tompo. Dia aleony mitoetra ao amin’ny faharatsiana, satria heveriny ho tsy misy fanafany intsony ny aminy.

Samy hevi-diso sy famitahana avy amin’i Satana anefa ireo hevi-dravina ireo. Zavatra roa no iantsoan’Andriamanitra antsika:

  1. Miaiky ny fahotana: « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.» (1 Jao. 1,9)
  2. Mandray ny fanadiovana sy ny fanavaozana ary ny fanovàna izay tian’ny Tompo ho tanterahina eo amin’ny fiainanao, mba hamonjena anao ho velona, fa tsy ho faty.

 

« Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. » (Rom. 5, 8)