Ny fiaraha-misakafo sy ny Fanjakan’Andriamanitra

«Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.»
(Apok. 19,9)

Teksta fototra : «Tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.» (Mat. 26,29)

Ny Sakafo sy ny Hanina ao amin’ny Testamenta Taloha

– Ny hanina dia ny sakafo natao hahavelona amin’ny alalan’ny fihinanana an’izany.

– Ankoatra ny rano, dia ireto no fototsakafo teo amin’ny jiosy (Deo. 8,8; 2 Sam. 17,19; Ton. Sol. 4,11; Lio. 15,23):

Ny mofo [Heb. Léhêm; gr. Artos] (vita tamin’ny vary hordea [orge] sy ny varimbazaha [blé]),

Ny trondro (“hazandrano”), ny ronono, ny tantely ary ny hena,

ranom-boaloboka (ao koa ny aviavy, ny oliva, ny ampongambendanitra, sns.)

– Amin’ny androm-pahasoavana sy ny fotoam-pifaliana, dia misy hatrany ny fanasàna hiarahana misakafo (Gen. 21,8; 26,30; 1 Mpan. 3,15)

– Amin’ny fiaraha-misakafo no hiainana ny firahalahiana sy ny fihavanana ary ny fifankatiavana.

– Andriamanitra no manome hanina sy mamelona ny olony ka manolotra azy ny sakafo mahavoky (Isa. 30,23)

– Tsy misaraka amin’ny fivavahana sy ny fiainam-pinoana ny fahazoana ny hani-mahavelona avy amin’Andriamanitra (Isa. 25,6)

– Ny tsy fananan-kanina sy ny aretina no anisan’ireo fahoriana isehoan’ny fahantrana sy ny maha malahelo

Ny Sakafo niarahan’i Jesoa Kristy nihinana tamin’ireo manodidina Azy

– Jesoa Kristy, Ilay Andriamanitra ivon’ny Testamenta Vaovao, dia nanamasina ny sakafo sy ny hanina ho antsika olombelona tamin’ny nanekeny hiara-mihinana amintsika sakaizany sy hiara-misakafo tamin’ireo izay heverina ho mpanota tokony hiatahana aza.

– Tamin’ireo vanim-potoana lehibe teo amin’ny fiainany sy ny kihon-dalàna teo amin’ny ministerany teto an-tany, dia nisy hatrany ny sakafo niarahan’i Jesoa tamin’ireo manodidina Azy.

Teo am-panombohana, dia tao amin’ny fanasàna tamin’ny fampakaram-bady tao Kana no nanaovan’i Jesoa ny voaloham-pamantarana ny maha Mesia Azy: «Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.» (Jao. 2,11).

Teo amin’ny ivon’ny fiarahany tamin’ny olona teto an-tany, dia nisakafo tany amin’izay nanasa Azy Izy (Lio. 5,29; 7,36; Jao. 12,2), ary izany aza no niampangana Azy ho lian-kanina: «Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.» (Mat. 11,18s).

Alohan’ny hiatrehany ny hazofijaliana, dia niara-nihinana ny Paska tamin’ny mpianany Izy, tamin’ny Alakamisy masina, izay nanorenany ny Fanasan’ny Tompo. Rehefa nitsangana avy tamin’ny maty Izy, dia niara-nisakafo tamin’ireo mpianatra roa lahy tao Emaosy: « Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.» (Lio. 24,30s).

Hotohin’izany tantara izany, dia nanaporofo ny maha velona nandresy ny fahafatesana Azy Jesoa, ka nihinan-kanina teo anatrehan’ireo mpianany izay niahanahana noho ny tsy finoany: «Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo? Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy. Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.» (Lio. 24,41ss).

Alohan’ny hisarahany tamin’ny mpianany sy handaozany azy ireo tanteraka ho any an-danitra, dia mbola nisy fiaraha-misakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany: «Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny mpianatra indray Jesoa teo amoron’ny Ranomasin’i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany: Hoy Jesoa taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. Hoy Jesoa taminy: Analao hazandrano amin’ireo vao azonareo teo. Hoy Jesoa taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy. Ary tonga Jesoa, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray. Izany no fanintelon’ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesoa tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.» (Jao. 21,1.5.9s.12.14s).

Ny fiaraha-misakafo ao an-danitra (“banquet messianique”)

– Hisy ny fanasàna any amin’ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra rahatrizay. Fiaraha-misakafo sy fiombonam-pifaliana amin’ny fampakarambadin’i Kristy sy ny Fiangonana no hatrehana amin’ izany: «Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ ondry. Ka efa niomana ny vadiny. Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hœ: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. » (Apok . 19,7.9 ; 21,1s ; 22,17)

Fehin-kevitra: Rahatrizay, dia hitondra ny tenan’ ny any an-danitra isika olom-boavonjy, fa tsy ho olona fanahy fotsiny ihany; nefa koa tsy ho olona nofo aman-drà mitondra ny tenan’ny ety an-tany intsony isika. Ho tahaka ny anjely isika, ka tsy hanambady intsony. Hanan-tena anefa isika, ka afaka hihinana ny hanina vaovaon’ny lanitra Mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ny Raiko.» (Mat. 26,29))

– Zava-tsoa mifamatotra amin’ny Filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ny hanina sy ny sakafo, fa tsy haingitraingitra na zavatry ny nofo fotsiny ihany: «Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.» (Isa. 55,2)

– Ao amin’ny toerana masina indrindra, dia ny lapan’ Andriamanitra, no hiarahan’i Kristy mihinana ny hanin’ ny lanitra amin’ny olom-boavonjy rehetra rahatrizay: «Avia, ka miangòna ho amin’ny fanasana lehiben’ Andriamanitra» (Apok. 19,17).

– Efa nosantarin’ny mpianantr’i Jesoa teto an-tany izany fiombonam-pifaliana amin’ny sakafom-piraisana amam-pifankatiavana izany (“agape”), ka tany amin’izay toerana niangonan’izy ireo sy niarahany nivavaka, dia nisy ny fiaraha-misakafo sy ny famakìna ny mofo (= fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Cf. Asa. 2,46; 20,11: « Ary dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsaram-po. Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ny andro izy, dia lasa nandeha»). Izany no mampiavaka ny toeram-pivavahantsika kristiana amin’ny trano fiangoanan’izao tontolo izao sy ny Tempolin’ny jiosy.

RAZAFINIARIVO Fidison Maxime