Ity fitaovana ity dia atolotra ho antsika izay manam-pikasana hanao fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra mandritra izao fotoana fihibohana izao.
« Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra. » IIKor.9, 7
Fanamarihana: Hamarino tsara ny adiresy mailaka satria amin’ny alalan’izany no hifanerasera amintsika mikasika ny toromarika arahana amin’ny fandrotsahana ny raki-pisaorana ny tompon’andraikitra sy ny mpitandrina.
« Ary Davida nanao alitara teo ho an’i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’i Jehovah ny fifonana natao ho an’ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana. » 2 samoela 24:25