20 Taona niaraha-niasa tamin’ny Mpitandrina Razafiniarivo Fidison mivady

« Miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara” Fil 1:27b
Nohamarinana tamin’ny 05 aprily lasa teo izany tsingerintaona izany. Fanompoampivavahana no nisantarana azy,izay nahitana fidirana indroa: tamin’ny 07 ora ary tamin’ny 10 ora maraina. Hipoka sahady ny fiangonana tamin’ny fanompoampivavahana voalohany

Nandray anjara tamin’izany ny hery velona rehetra teo amin’ny fitandremana: sampana,biraom-piangonana. Nisy ireo vahiny nanotrona, ka tamin’ny fidirana voalohany dia ny mpitandrina ANDRIAMITANDRINA Fenosoa,tonian’ny FFP no nitondra ny toriteny. Teo ihany koa ny solontenan’ny Foibe FJKM dia ny mpitandrina RAKOTOARIVONY Hubert. Ny mpitandrina TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Emmanuel kosa no nitoriteny tamin’ny fanompoampivavahana faharoa.

Nandritra ireo fidirana ireo dia nisy ny fihirana ny hiran’ny faha 20 taona, fiarahabana ny mpitandrina mivady sy ny ankohonany,fanolorana takela-pahatsiarovana.

Tonga hatramin’ny fizarana mofomamy sy vatomamy ny fankalazana tao aorinan’ny fotoam’pivavahana. Fiaraha-misakafo niaraka tamin’ny mpitandrina sy ny ankohonany, natrehan’ny solontenan’ny herivelona rehetra teto amin’ny fitandremana no namarana ny tapany maraina.

Tsy nijanona hatreo anefa, fa nisy ny Antsa-panahy ny hariva, izay nandraisan’ireo sampana sy ireo fikambanana tao am-piangonana anjara tamin’ny tapany voalohany . Nosaloran’ny Orimbato antsa-kira ny tapany faharoa.

Raha tsiahivina dia ny taona 1995 no voatolotra ho mpitandrina teto amin’ny Fitandremana Andriamatoa Razafiniarivo Fidison Maxime mivady, ary nolanian’ny mpandray fanasan’ny Tompo izy volana vitsy avy teo. Ny 23 novambra 1996 no noraisin-tanana teto amin’ny fitandremana izy mivady. Hatramin’izay,hatramin’izao dia tsikaritra fa tsy mba nanao ambanin-javatra ny asa niantson’ny Tompo azy izy.

Voarakitra ao anaty kapila mangirana ny famintinana ny asa vita nandritra izany fotoana izany, izay azo jifaina ao amin’ny komity ny 20 taona,amin’ny vidiny 5 000Ar.

Nahafinaritra ny ezaka vita nandritra izay fotoana niarahana niasa izay ka hirarina ny hitohizany ho any amin’ny tsara tsara kokoa hatrany