Alahadin’ny Taranaka 2020 – Fandaminana

 « Fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina”, Heb. 13 : 17b

Ampahatsiahivina sy entanina hatrany isika fa ny alahady 02 Aogositra izao no alahadin’ny Taranaka-  Efa nozaraina sy azo raisina tao amin’ny sekretera mpandraharaha ny valopy fanaontsika mifanandrify amin’izany.

Toa izao ny fandaminana :

– Ho an’ny efa manana Valopy dia afaka manatitra izany ny alatsinainy hatramin’ny zoma amin’ny 9 ora hatramin’ny 11 ora.

– Ho an’ny tsy mbola manana dia afaka sady maka no mameno avy hatrany ny valopy ao amin’ny sekretera mpandraharaha ny alatsinainy hatramin’ny zoma (9 ora – 11 ora)

– Avoaka lisitra ny alahady sy hoentina am-bavaka tahaka ny mahazatra ireo fianakaviana nanatanteraka ny adidy.

– Ho an’ireo tsy afaka mivoaka nefa maniry hanatanteraka izany amin’ny fomba hafa dia asaina hiantso ny sekeretera mpandraharaha ahafahana manome ny toromarika.

– Ho fanampi-panazavana, dia antsoy ny Sekretera mpandraharaha amin’ny alalan’ny finday: 034 59 168 73 na telafaonina: 020 22 222 77

Dia mankahery sy mirary fahasalamana ho an’ny isan-tokantrano.  Ny Tompo homba sy  hitahy antsika tsirairay avy.