ALAHADIN’NY SEFALA FJKM
(Fandaharana iombonana)
“MANAIKY AN’ I JESOA MESIA NY MINO ”
FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (Sal. 66, 1-4)
Mpitarika : «Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra; mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. Lazao amin’Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.»
Iarahana: «Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. Amena.»
♫ HIRA: 73 and. 1, 2
73 – Indro Zazakely zanak’i Maria
1. Indro
Zazakely
Zanak’i Maria,
Tompon’ny anjely,
Nefa nankaty,
Io no Zazalahy,
Zanaky ny Ray.
Tonga mba hitahy:
Izy no anay.
Fiv :
Mihirà, ry tany,
Sy ny mponina eo.
Hafalian-tsy lany,
Manandrata feo!
Jeso no deraina,
Fa Mpanjaka soa;
He! Ny fanjakany
Lehibe tokoa.
2. Zaza
nantenaina
Fony ela be,
Sady Tompon’aina
Manan-kery be,
Mihirà, ry tany!
Eny, mifalia:
Hoy ny mpaminany,
Izy no Mesia:
Mihirà, ry tany, sns…
– VAVAKA FIDERANA
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY
♫ HIRA: 71 and. 1
71 – Mihainoa, mihainoa
1.
Mihainoa, mihainoa
Ny feon’anjely sambatra
Milaza fa vao teraka
Ny Zanak’Andriamanitra !
Mihainoa izao !
VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA
FAMAKINA NY SORATRA MASINA: Jer. 1, 4-10
4 Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:5 Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.8 Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Mat. 4, 12-17
Ny nankanesan’ i Jesosy tany Galilia
12 Ary nony ren’ i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ ny zara-tanin’ ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:15 Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa,16 Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana.17 Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra
Rom. 11, 7-15
7 Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna kosa ny fon’ ny sisa;8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka andro-any9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.13 Fa hianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty va ny fandraisana azy?
♫ HIRA: 68 and. 1
68 – Re tokoa ny feon’anjely
1. Re
tokoa ny feon’anjely,
Irak’ Andriamanitra ;
He, ny teny mahafaly
Avy ao an-danitra !
Entiny ny teny tsara
Ho ety an-tany izao
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao ! (in-3)
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao !
TORITENY (Faranana amin’ny HIRA ataon’ny MPIHIRA)
VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY FANGATAHANA
TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Isa. 62, 1; Sal. 32, 1s)
Mpitarika: Hoy ny Soratra Masina: «Tsy hangina Aho noho ny amin’ i Ziona, ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’ i Jerosalema, Mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. Voavela ny helokareo, sns… »
Iarahana: Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena.»
♫ HIRA: 70 and. 1
70 – Iza moa io Zazakely
1. Iza moa
io Zazakely
:,: Ao Betlehema :,:
Ankalazain’ny anjely
Misasaka alim-be ?
Injao mihira avokoa
Ny mponina ao an-danitra,
Ka iza re io Zaza soa ?
Moa Zanak’Andriamanitra ?
Fiv : Io no
Mpanjaka voatendry
Sady mahery no hendry,
:,: Zanak’Andriamanitsika
Koa hobio sy ifalio ! :,:
FANEKEMPINOANA APOSTOLIKA
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
BATISA: ♫ HIRA: 248 and. 1, 3
248 – Nitondra ny zaza ny reny
1. Nitondra
ny zaza ny reny tao Salema,
Mba hotahin’i Jeso Kristy be indrafo;
Nolavin’ny mpianatra izy,
Nefa hoy Jesosy hoe:
“Avelao ny zaza hanatona izao”
3. Endrey,
mahagaga ny fiantran’i Kristy,
Fa indro, zazakely aza asiany soa;
Avia, manatòna Ilay Mpiandry
Zanak’ondry, ka
“Avelao ny zaza hanatona izao”
VAVAKA FANAVAOZAM-PANOLORAN-TENA AMAM-PANATITRA HO AN’NY TOMPO
♫ HIRA: 545 and. 1
545 – Endrey izany hafaliana
1. Endrey
izany hafaliana,
Fa velona aina izahay;
Tanteraka ny faniriana,
Ka dera ho Anao ry Ray!
Atolotray tokoa ny tena,
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
Ho tonga olom-baovao.
TSODRANO
♫ HIRA: 547 and. 4
547 – Ry Jeso Masoandronay ô!
4. Ry Jeso
Tompo tia anay ô,
Misaotra Anao izahay izao
Fa henika ny hasoavanao
Izao tontolo izao !
Eny, Jeso sns…
Fiv : Eny,
Jeso Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty ;
Avy izahay mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao !
RAKITRA ALITARA: I sy II ary III: ♫ HIRA: 109