Antsan-kira Fonja Antanimora – LEHILAHY MIDERA

Ho fitoriana ny Filazan-tsara dia hanatanteraka antsan-kira ny LEHILAHY MIDERA any amin’ny Fonja Antanimora amin’ny alahady 26 Septambra 2021 maraina.

Fiaraha-miasa amin’ny Aumonerie FJKM izay miasa eny amin’izany toerana izany sy ny Administration penitentiaire  Antananarivo ity antsan-kira ity ary handrenesana hira 15 ka hifandrimbonan’ny mpikambana miisa 25 eo ho eo.

Natao flyers ity afisy ity ka hozarain’ny SLK amin’izay rehetra manatrika ny fotoana. 

Mangataka vavaka mba ho maro ny fiovampo sy fanolorantena ho an’ny Tompo noho izao asa tanterahin’ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga amin’ny alalan’ny LEHILAHY MIDERA izao.