FAHA 120 TAONA Sampana DORKASY

Ny volana Martsa 1901 no nanorenan-dRtoa Margaret EVANS vadin’i William EVANS, Misionera LMS nitondra ny Fiangonana Ambatonakanga 1899 – 1948.

Hanamarika ny faha 120 taonany araka izany ny Dorkasy Ambatonakanga .

Daty tokana no anaovana ny fankalazana dia ny Alahady 14 Novambra izao araka izao fandaharam-potoana izao: 


@ 8ora sy sasany maraina: Fanompoam-pivavahana iarahana amin’ny FOIBE Dorkasy FJKM sy ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano

@ 2ora sy sasany tolakandro: Rindrankira ahitana an ‘i Lilie sy Rija Ramanantoanina, ny Dorkasy FJKM Mahatsinjo, ary ny SLDOR   Ambatonakanga

Hisy  fampirantiana ny tantaran’ny Sampana Dorkasy Ambatonakanga ary Tranoheva samihafa amin’io andro io ka anasana ny fanotronantsika mianakavy ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.