« Aoka hirehitra ny jironareo » Lioka 12:35
Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia faly mampandre antsika ny Fanokafana ny taom-panabeazana 2021-2022 sy ny Fivoriambe izay ho tanterahina ny Sabotsy faha 06 Novambra 2021 ho avy izao.
Koa manentana ny mpikambana rehetra, ny ray aman-dreny ary indrindra ireo maniry hanatevin-daharana ny fikambanana ho avy amin’io fotoana io. Marihina moa fa hankalaza ny faha-30 taonany ny SAMPATI eto anivon’ny fitandremana amin’ity taom-panabeazana ity.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!