Fanompoam-pivavahana Alahady 14 Jona 2020

FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO (Mat. 5, 3-9)

Mpitarika : «Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjkan’ny lanitra. Sambatra ny ory; fa izy no hampifaliana. Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantràna.»

Iarahana: «Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra. Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra. Amena.»

♫   HIRA:  530 and. 1, 3  (feony ao amin’ny Tiona)

VAVAKA FIDERANA SY FANGATAHANA NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA

FAMAKINA NY SORATRA MASINA:   Lev. 19, 16-18;   Mar. 9, 33-50;   Fil. 2, 1-4

♫  HIRA: 532 and. 1, 2

TORITENY

♫  HIRA: 534 and. 1, 2  (na HIRA ataon’ny MPIHIRA)

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY FANGATAHANA

TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Jer. 31, 3 ; Rom. 5, 10 ; 1 Jao. 4, 10)

ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA TAFIKA MASINA MANDRITRA NY 04 ANDRO VINAVINAM-PANDANIANA SAKAFO (40 OLONA)

Mpitarika: Hoy ny Tompo: «Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, ka izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatsan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomanyankehitriny, rehefa nampihavanina. Voavela ny helokareo, sns… »

Iarahana: «Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Haleloia! Amena.»

                ♫   HIRA:  4 and. 1

FANEKEMPINOANA APOSTOLIKA

FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA

VAVAKA FANAVAOZAM-PANOLORAN-TENA AMAM-PANATITRA HO AN’NY TOMPO

♫   HIRA:H F 34 and. 2

TSODRANO

♫   HIRA: 194 and. 4

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.”