FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO ( Sal. 34, 1. 3. 4. 22 )
Mpitarika: «Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.»
Besinimaro: « Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.»
Iarahana: « Jehovah manavotra ny fanahin’ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. Amena.»
♫ HIRA: 18 and. 1, 3
VAVAKA FIDERANA SY FANGATAHANA NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA
FAMAKINA NY SORATRA MASINA: 2 Tan. 15, 1-7; Lio. 4, 1-13; 1 Jao. 4, 12-16
♫ HIRA: 226
TORITENY
♫ HIRA FEHIN’NY TORITENY: 354 and. 1, 2
VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY FANGATAHANA
TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Isa. 55,6s; Isa. 44,3; Jao. 16,13; Sal. 32,1s)
Mpitarika: Hoy ny Tompo: « Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola hita Izy; Miantso Azy dieny mbola kaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina amin’i Jehovah ireny, fa hamndra fo aminy Izy; Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ny terakao. Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra. Voavela ny helokareo noho ny anarany masina, sns… »
Iarahana: «Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany, sns…»
♫ HIRA: 478 and. 1, 2
FANEKEMPINOANA APOSTOLIKA
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
VAVAKA FANAVAOZAM-PANOLORAN-TENA AMAM-PANATITRA HO AN’NY TOMPO
♫ HIRA: 622 and. 1
TSODRANO
♫ HIRA: HF 26 and. 2
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.”
RAKITRA eny amin’ny ALITARA ( I sy II ary III): ♫ HIRA: HF 47
FIRAVANA SY FODIANA AMIN’NY FIADANANA