Fizahana maso – Sampati

« Fa mihezaka aho hihazona izay nihazonan’I Jesoa Kristy ahy » Fil 3-12

Ho fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ny Sampati XIV Ambatonakanga Andrin’ny Finoana dia am-pifaliana no hanasana antsika amin’ny hetsika « FIZAHANA MASO »

Fotoana: 11 desambra sy 18 desambra 2021 ho avy izao, manomboka @7:30 maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva
Toerana: FJKM Tranovato Ambatonakanga.

Fitaovana harifomba no entina hanatanterahana izany ary amin’ny sarany tena mirary 5000 Ariary monja.
Hisy koa ny solomaso amin’ny vidiny mirary amin’ireo andro ireo.
Mba ho fandaminana dia iangaviana isika izay ho avy mba hisoratra anarana ao amin’ny hafatra miafina na ao amin’ny biraon’ny Sekretera mpandraharaha.

Tongava maro dia hoento ny namana! Tanana havia