KOMITY 3 TONTA MISAHANA NY AMIN’NY MPITANDRINA

Ny Komity 3 tonta dia miarahaba anareo izay mitsidika izao tranokalan’ny Fiangonantsika izao amin’ anaran’ny Tompo.

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana!

Tao anatin’izay volana vitsivitsy nanaovan’ny Kristiana avy eto amin’ny Fiangonana ny Ezaka Fampitaovana Fiara ho an’ny Raiamandreny Mpitandrina izay, ry havana, dia isaorana ny Tompo fa nanome antsika tolo-tsaina Izy, niasa tao am-pontsika tsirairay avy, ka namporisika antsika niray fo, niara-niezaka hahatontosa izany. Nasehontsika fa Azy Jehovah tokoa ny zavatra rehetra ka izay avy Aminy ihany no anomezantsika ho Azy.

Aiza ho aiza izao ny Ezaka?

Ao anatin’ny famaramparana ny ezaka isika. Ezahina hatolotra amin’ity Desambra ity izany fiara izany, mba hahafahan’ny Mpitandrina manefa amim-pitoniana ny asany, indrindra efa miditra amin’ny fotoam-pahavaratra maha-sarotra ny lalana isika izao. Tsy hiresaka intsony ireo fahasahiranana matetika izay nosedrain’ny Mpitandrina isika, vokatry ny tsy fahatombanan’ny fiarany manokana izay ampiasainy. Andao hibanjina ny hazakazaka izay miandry azy noho ny asan’ny Tompo efa niantsoany azy.

Dia misaotra sy mankantelina antsika mpianakavin’ny finoana tsy misy ankanavaka ry havana. Misaotra ny Sampana rehetra, ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona, na eto an-toerana na any am-pielezana.

Mety hahazo fiara tokoa isika amin’io  Ar 33.600.400 (168.000.000 fmg) io. Isika anefa dia zanak’Andriamanitra, mpanao ny tsara, ka tokony  hanao asa tsara toa Azy – miandrandra FIARA TSARA KOKOA. Marihina fa tsy vaovao akory ny fiara ho azon’ny toebolantsika fa mba ireny  “bonne occasion” ireny– Antenainay Komity fa fenitra iombonantsika ny hanolotra fiara tsara ho an’ny Mpitandrina – ary ny tolotanana  hataonao amin’izao herinandro vaovao diavintsika izao no miantoka izany !

Fanentanana

Koa hoenti-manentana ny risi-po efa ananantsika, sady hoenti-mamporisika ireo vao hanao izany,  dia raisinay ny teny hoe : “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra” (IITes.1.3)

Resy lahatra izahay, ry havana, fa ny fitomboan’ny finoana an’i Jesoa, no mampitombo ny fitia manome ao anatintsika – koa asehoy amin’ny asa hita maso àry ny finoanao –  ary ataovy amin’ny fo feno fitiavana. Dia mahereza hatrany amin’ny asan’ny Tompo,fa ny Teniny ao amin’ny Ohabolana 11.24 dia manaporofo fa mampitombo fananana ny fahafoizana ho an’Andriamanitra :  ny fahafoizan-tena, fotoana, vola,… avy amin’ ireo  harem-pahasoavana nomeny ny tsirairay, sns…“ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”(Kol.3.23)

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra – fa ho antsika hatrany kosa ny Fiadanany !  Amen !