finoana kristianina

Zavatra 5 tsara ho fantatra momba ny finoana kristianina

Ny finoana ananany no hiavahan’ny karazam-pivavahana rehetra misy eto ambonin’ny tany. Io no mamaritra ny maha izy azy avy. Ao amin’i Jesoa Kristy, dia ambarany mazava fa mahavonjy sy antoky ny famonjena ny finoana. Ambetinteniny ny hoe: « Ny finoanao no efa nahavonjy anao » (Mat. 9,22 ; Mar. 5,34 ; 10,52 ; Lio. 7,50 ; 7,19 ; 18,42). Koa andeha hofakafakaina eto ny amin’izany finoana ambaran’i Jesoa Kristy izany.

Ny hevitry ny teny hoe FINOANA

Ao amin’ny Baiboly, dia FINOANA no nandikàna ny teny hebreo hoe EMOUNAH (Testamenta Taloha) sy ny teny grika hoe PISTIS (Testamenta Vaovao).

EMouNah no teny hebreo ilazana ny finoana (Testamenta Taloha)

Fijoroana marina, fiorenana tsara, fitokiana tanteraka, fihazonana mafy, fifikirana feno no dikany. 

  • Marihina fa avy amin’ny matoanteny hoe AMaN, izay fototenin’ny EMouNah, no nihavian’ny teny litorjika tononintsika isan’andro hoe AMeN, izay midika hoe TENA MARINA, MARINA TOKOA, MARINA TANTERAKA. Rehefa miteny Jesoa hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa”, arakabakiteny, dia izao no voasoratra ao amin’ny Soratra Masina: “Lazaiko aminareo AMEN AMEN” (Jao. 3, 3.5., sns.).
  • Teny Hebreo mitovitovy hevitra amin’ny hoe EmouNah ny hoe BâThah, izay midika hoe:  resy lahatra, matoky, mitoky.

PISTIS no teny grika ilazana ny finoana (Testamenta Vaovao)

Midika hoe fatokiana feno, fiankinana tanteraka, azo antoka, mahatoky (manam-panahy mahatoky). Amin’ny teny frantsay, dia manana hevitra roa tsy afa-misaraka ny hoe PISTIS: Foi na Fidelité. 

  • Azavaina etoana, fa avy amin’ny fototeny hoe FOI no nihavian’ny anarana hoe Fiance (> fiancé, fiançaille, confiance ≠ méfiance, défiance). Ny Fidelité kosa dia fantatsika ny heviny, fa milaza tsy fivadihana sy tsy fiovàna, fa fitoerana ho mahatoky sy azo antoka tanteraka hatrany. 
  • Teny Grika mitovitovy hevitra amin’ny hoe PISTIS ny hoe Pépoithà: Fiankinana, fianteherana, sy ny hoe Tharréô:  mahazo antoka, mametra-pitokisana.

Malagasy. FINOANA. Matoanteny: MINO. Ny heviny dia hoe Misotro, migoaka, mandatsaka anaty, mampiditra ao am-po (ny fo ambara eto, dia ny ao anaty rehetra, ny ao “anaty fanahy”).

  • Ny fampinomana (fototeny INO) fanao fahiny mba hitsaràna izay olona ampangaina ho mpanao ratsy (hahalalana na tena diso tokoa  izy na tsy meloka akory), dia tsy inona tsiakory fa ny fampisotroana tangena azy ampahibemaso. Raha matin’ny tangena nosotroiny izy, dia ambara ho mitombina ny fiampangàna azy. Raha velona kosa izy, dia lazaina fa olo-marina. Hoy ny fitenin’ny Ntaolo rehefa milaza fanjoretana noho ny zavatsarotra mahazo hoe: “Reniomby maty anaka ity e! Sady tsy maharaoka ahitra no tsy mahaminon-drano.” 
  • Hita ao amin’ny Filazantsara ny hevitry ny teny malagasy hoe mino  (= misotro). Hoy Jesoa hoe: “Fa na iza na iza misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay, fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” (Jao. 14, 14).
  • Ny finoana izany, amin’ny Malagasy, dia tsy mitoetra ho fahalalan’ny saina na mijanona ho fahafantaran-javatra fotsiny, fa fandatsahana an’aty sy fampidirana ao am-po tsy misy fiambakavakàna na fisalasalàna an’izay zavatra ekena ho raisina sy maha resy lahatra ho toavina.

Raha aravona ny hevitry ny teny hebreo hoe EmouNàh sy ny teny grika hoe Pistis ary ny teny malagasy hoe mino, mbamin’ireo teny nazavaina ho mitovy hevitra amin’ireo voambola ireo, dia izao no azo amaritana ny finoana ambaran’ny Baiboly:

“Ny finoana dia ny firaisana sy ny fifamatorana ary ny fifikirana tanteraka amin’Andriamanitra, ka iainana sy ivelomana amin’ny fahatokiana feno Azy marina tokoa.”

Ny mampiavaka sy maha izy azy ny finoana kristiana

Ny finoana kristiana dia miorina amin’ny finoana an’Andriamanitra izay manambara ny tenany ao amin’ny Baiboly. Ao no hahalalana ny momba an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina sy ny momba an’i Jesoa Kristy Tompo. Ireto izany no mandrafitra ny finoana kristiana, araka izao ambara izao:

Finoana an’Andriamanitra Tokana, Telo Izay Iray

Tokana no Andriamanitra inoan’ny kristiana, fa tsy misy Andriamanitra roa aman-telo. Io Andriamanitra tokana io anefa, araka ny fahafenoany sy ny fiandrianany ary ny fahavelomany, dia miseho sy miasa amin’ny fiziana na Persôna telo maha Andrimanitra Azy, dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Finoana an’i Jesoa Kristy

Ny finoana kristiana dia miorina amin’ny fanekena sy fandraisana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, Ilay Andriamanitra tonga olombelona mba hamonjy izao tontolo izao.

Ny vontoatin’ny finoana kristiana

Ny Fiangonana kristiana dia efa namaritra ny vontoatin’ny finoany tamin’ny alalan’ny fanekempinoana izay ijoroany ho vavolombelona. Ity fehezanteny ambara manaraka ity no heverina fa mahalaza an’izany vontoatin’ny finoana kristiana izany (tsara raha ianarana tsianjery): 

« Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao, dia tsy namela ny olona ho very noho ny fahotany, fa nandao ny fiandrianany sy nanafoana ny tenany ka tonga olombelona, dia maty teo amin’ny hazojaliana ho fisoloana heloka antsika sy nitsangana avy tamin’ny maty ho fanolorana antsika ny fiainana mandrakizay, ary niakatra any an-danitra mba hanomana toerana handraisana ny voavonjy rehetra amin’ny fiverenany, dia isika izay mino Azy ka tonga zanak’Andriamanitra noho ny asam-panavaozan’ny Fanahy Masina. »

Ny fifandraisan’ny finoana sy ny fahalalan’olombelona

Izao no azo ambara momba an’izay ifandraisan’ny finoana sy ny fahalalantsika zanakolombelona.

Ny fahalalana dia an’ny saina. 

Azo avy amin’ny fianarana sy ny fikarohana ataon’ny olona ny fahaizana amam-pahalalana ananany. Tsy afaka hitondra finoana ho an’ny olona velively anefa ny fahazaina norantoviny, na dia mety hampieritreritra azy ihany aza izany.

Ny finoana kosa dia avy amin’Andriamanitra

Ny finoana kosa dia avy amin’Andriamanitra sy itodihana amin’Andriamanitra, ary mahakasika ny fo sy miorina ao am-po. Hoy ny Soratra Masina: “Amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena” (Rom. 10, 10).

Tsy mitondra ho amin’ny finoana ny fahalalana, fa ny finoana kosa dia tokony hitarika ho amin’ny fahalalana.

Araka ny teny nataon’i Paoly apôstôly amintsika izay efa mino hoe: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara” (1 Tes. 5, 21). Hoy Karl BARTH, mpandalina momba ny finoana, ary anankiray amin’ireo dogmatisiana protetstantan’ny taonjato faharoapolo: ‘Tsy hoe mahalala aho mba hinoako, fa mino aho mba hahalalako”.

Ny fahavalon’ny finoana sy ny mety hahafoana azy
Ireto no fahavalon’ny finoana, raha lazaina amin’ny teny indraimbava:

  • Ny fisalasalana: « miahanahana », miambakavaka, tsy tapakevitra.
  • Ny fierikerehana: mino ihany, saingy tsy tena mifantoka, fa mbola mitady zava-kafa koa.
  • Ny fivadihana: nanam-pinona ihany teo aloha, saingy niala tamin’izany sy nahafoy an’izany. Ny mpivadika dia mety ho tonga naman’izay mandà ny finoana sy manohitra ny finoana mihitsy aza.

Ankoatra izany, dia tokony ho tandremana fatratra mihitsy fa mety ho faty sy ho levona io finoana io rehefa tsy arahina asa ho famelomana sy ho fampanjariana azy. Hoy ny fampianaran’i Jakoba apôstôly momba ny fifamatoran’ny finoana sy ny asa: “Ny finoana raha tsy misy asa, dia maty mihitsy…Tsy vanona ny finoana tsy misy asa… Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy (= aina), ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa” (Jak. 2, 17b. 20b. 26).

Fehiny.

Aoka mba ho tenintsika kristiana rehetra koa ny tenin’i Paoly apôstôly hoe: “Fantatro izay inoako” (2 Tim. 1, 12), ary “mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona”  (Efe. 4, 14). Noho izany dia miezaha mba hahafehy sy hahatadidy ny fampianarana natolotra teto ianao izay namaky sy liana tamin’izany!

SOLI DEO GLORIA!