Amin’izao jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina RAZAFINIARIVO Fidison Maxime izao dia manasa antsika amin’ny famorononana hira faneva sy sary famantarana. Koa ireto no mombamomba izany: Mirary soa sy fahasalamana ho anao
Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina RAZAFINIARIVO Fidison Maxime
Isaorantsika ny Tompo fa noho ny famindram-pony sy ny fahasoavany, dia hiatrika ny Jobily Fisotroan- drononon’ny Mpitandrina Razafiniarivo Fidison Maxime mianakavy isika mpianakavin’ny finoana, eto amin’ny fitandremana Tranovato Ambatonakanga amin’ity Taona 2022 ity. Maro amintsika no nandray Fahasoavana sy niara-nikely aina tamin’ny asan’ny Tompo, niaraka taminy, teo ambany Fitarihan’ny Fanahy Masina, tao anatin’izay 27 taona nitandremany teto amintsika izay. Ary […]
Fivahinianana tao amin’ny Toby Lehibe Soatanana (16 – 18 Oktobra 2021) – SAFIF
Sabotsy hariva tamin’ny 7 ora no nigadona tao amin’ny toby Soatanana izahay ary nampandrosoin’i Mama Julienne Raiamandrenin’ny toby tao amin’ny trano fandraisam-bahiny: natombony tamin’ny vavaka fisaorana an’Andriamanitra – nohiraina ny hira “misaora an’I Zanahary”, mbola notohizany vavaka, vao roso tamin’ny dinidinika sy ny tafatafa mahakasika ny dianay. Nofaranana tamin’ny hira “arovy aho Tompo”. Nandamindamina entana […]
Antsa an-kira Krismasy: Fifaliana lehibe
Fizahana maso – Sampati
« Fa mihezaka aho hihazona izay nihazonan’I Jesoa Kristy ahy » Fil 3-12 Ho fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ny Sampati XIV Ambatonakanga Andrin’ny Finoana dia am-pifaliana no hanasana antsika amin’ny hetsika « FIZAHANA MASO » Fotoana: 11 desambra sy 18 desambra 2021 ho avy izao, manomboka @7:30 maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva Toerana: FJKM Tranovato Ambatonakanga. Fitaovana harifomba […]
Atelier live Facebook – Komity Web
Finaritra, fifaliana ho an’ny Komity Web ny miantso sy manasa antsika rehetra hanatrika ny fivoriana sy atelier live Facebook. Toy izao manaraka izao ny andinindininy: . Daty: 27 novambra 2021 manomboka amin’ny 1 ora atoandro . Toerana: akany Rasolofoson FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA . Mitondra Baiboly sy fihirana ary fitaovam-panoratana . Ho fiaraha-mifaly dia entanina ny […]
Toriteny an-kira – Lehilahy Midera
« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery » Isa 40.31 Ny Lehilahy Midera dia manasa antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny Toriteny an-kira izay atao ny Alahady 28 Novambra izao ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny 09 ora 30.Iarahana miasa @ aumonerie hospitalière HOMI Soavinandriana izay iadidian’ny mpitandrina Rodolphe RAHAINGONJANAHARY izay mpampianatra ao amin’ny Faculté de Théologie […]
Fanomanana Krismasy 2021 – Sampana Sekoly Alahady
Finaritra, Efa manomboka ny fanomana ny Krismasy 2021 isaky ny Alahady amin’ny 02ora sy sasany atoandro. Koa manasa antsika ankizy sy tanora sy ireo izay maniry handray anjara amin’izany. Ho tahin’ny Tompo hatrany
ARSIVA Sampana Dorkasy Ambatonakanga
1. NY TANTARANY a) FOTO-KEVITRA IJOROANY Ny anarana hoe: “DORKASY” dia nalaina avy amin’ny tantaran’ilay vehivavy mpanao asa soa sy fiantrana voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9: 36 – 43 atao hoe Tabita. Dorkasy, na Tabita, dia vehivavy kristiana tao an-tànanan’i Jopa (faritra Atsimo any Tel-Aviv any Israely) izay natsangan’ny apostoly Petera tamin’ny maty. Araka […]
FAHA 120 TAONA Sampana DORKASY
Ny volana Martsa 1901 no nanorenan-dRtoa Margaret EVANS vadin’i William EVANS, Misionera LMS nitondra ny Fiangonana Ambatonakanga 1899 – 1948. Hanamarika ny faha 120 taonany araka izany ny Dorkasy Ambatonakanga . Daty tokana no anaovana ny fankalazana dia ny Alahady 14 Novambra izao araka izao fandaharam-potoana izao: @ 8ora sy sasany maraina: Fanompoam-pivavahana iarahana amin’ny FOIBE […]