Sabotsy hariva tamin’ny 7 ora no nigadona tao amin’ny toby Soatanana izahay ary nampandrosoin’i Mama Julienne Raiamandrenin’ny toby tao amin’ny trano fandraisam-bahiny: natombony tamin’ny vavaka fisaorana an’Andriamanitra – nohiraina ny hira “misaora an’I Zanahary”, mbola notohizany vavaka, vao roso tamin’ny dinidinika sy ny tafatafa mahakasika ny dianay. Nofaranana tamin’ny hira “arovy aho Tompo”. Nandamindamina entana […]