« Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao » Salamo 119: 111a Ny Sampana Sekoly Alahady sy ny Komitin’ny faha-140 taona dia faly manolotra ho antsika Seho ara-pilazantsara hiarahana amin’ny Tanora Masina Itaosy ny Alahady 12 Jona amin’ny 2 ora sy sasany eto amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Tsy misy vidim-pidirana fa valopy no ho zarainaFilan-kevitra: 034 87 […]
Sampana Sekoly Alahady
FJKM Tranovato Ambatonakanga »Fidirana: fampianaran-kira – TAMBATRA
Finaritra, Ilazana isika fa hanomboka ny Alahady 13 Martsa 2022 amin’ny 2 ora sy sasany ny fampianaran-kira ny rantsana TAMBATRA.Koa manasa antsika ankizy sy ireo izay maniry hiditra amin’ny rantsana TAMBATRA amin’izany. Ity ary misy hira atolotray TAMBATRA anehoana ny hafalianay: https://fb.watch/bGHlsJJV5B/ Ho tahian’ny Tompo hatrany
Fanomanana Krismasy 2021 – Sampana Sekoly Alahady
Finaritra, Efa manomboka ny fanomana ny Krismasy 2021 isaky ny Alahady amin’ny 02ora sy sasany atoandro. Koa manasa antsika ankizy sy tanora sy ireo izay maniry handray anjara amin’izany. Ho tahin’ny Tompo hatrany
Fankalazana ny faha 140 taona nijoroany ny Sampana Sekoly Alahady
« Moa tia ahy va ianao fahano ary ny ondrikeliko » Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra ry havana dia hankalaza ny faha 140 taona nijoroany ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny taona 2022 ho avy io Fahasoavana lehibe izany ary tsy ho antsika irery fa ho an’ny FJKM iray manontolo satria dia teto no niorenan’ny Sampana […]
Fankalazana 25 taona ny rantsana TAMBATRA
Ny TAMBATRA (Taniketsa AMBAtonakanga TRAnovato) dia faly mankalaza ny faha-25 taona nijoroan’ny rantsana: 1996 – 2021Koa noho izany fankalazana izany dia faly midera an’Andriamanitra ny rantsana amin’ny alalan’ny Toriteny an-kira izay atao ny Alahady 10 Oktobra 2021 mandritry ny fanompohampivavahana
Faha-60taona ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara
Kristy ho an’i Madagasikara ary Madagasikara ho an’i Kristy. Ny rantsana TAMBATRA dia miarahaba antsika rehetra nahatratra ny asaramanitra. Samia ho tahian’i Jesoa Kristy Tompo.
Antsa Pentekosta 2020

Antsan-kira amin’ny endriny miavaka satria an-tambazotra no nampiainan’ny Taniketsa Ambatonakanga Tranovato (TAMBATRA) ny Pentekosta 2020.
Fanombohan’ny taom-pitaizana 2019-2020
« Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany. » Ohabolana 22.6 Ho tanterahina ny Alahady faha-20 oktobra 2019 amin’ny 8ora maraina izao, ny fanombohan’ny taom-pitaizana eto anivon’ny Sampana Sekoly Alahady Ambatonakanga.Hiavaka izany fotoana izany amin’ity satria ny fampianarana dia ho tanterahina eo an-kianjan’ny Tempoly, hisy ny trano […]