Faha-185 taonan’ny Maritiora

Hanamarika  ny faha-185 taonan’ny Maritiora isika FJKM amin’ny Alahady faha 14 Aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa ny 14 Aogositra 1837 no nandefonana an-dRasalama, Maritiora malagasy voalohany, teny Ambohipotsy. Hanatanteraka Toriteny an-kira ny Lehilahy Midera ao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’io Alahady maraina io. Fiaraha-miasa amin’ny Vaomieran’ny Fananana izay tompon’ny fotoana araka ny fandaminana  eto amin’ny fitandremana […]

Tohiny ...


Fanokanana ny SLK ANTANIMORA – Sampana Lehilahy Kristianina

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » ASA 20:35 Finaritra! Noho ny fahasoavan’ny Tompo dia hiroso amin’ny fanokanana ny Sampana Lehilahy Kristiana tafajoro indray ao amin’ny  Fonja ANTANIMORA ny  Aumônerie FJKM miasa eny amin’izany toerana izany ny Alahady 22 May ho avy izao. Ankoatra ny fanompoam-pivavahana  dia hanolotra Amboarankira manokana ny LEHILAHY MIDERA izay solotenantsika FJKM Tranovato […]

Tohiny ...


Toriteny an-kira – Lehilahy Midera

« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery » Isa 40.31 Ny Lehilahy Midera dia manasa antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny Toriteny an-kira izay atao ny Alahady 28 Novambra izao ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny 09 ora 30.Iarahana miasa @ aumonerie hospitalière HOMI Soavinandriana izay iadidian’ny mpitandrina Rodolphe RAHAINGONJANAHARY izay mpampianatra ao amin’ny Faculté de Théologie […]

Tohiny ...


Antsan-kira Fonja Antanimora – LEHILAHY MIDERA

Ho fitoriana ny Filazan-tsara dia hanatanteraka antsan-kira ny LEHILAHY MIDERA any amin’ny Fonja Antanimora amin’ny alahady 26 Septambra 2021 maraina. Fiaraha-miasa amin’ny Aumonerie FJKM izay miasa eny amin’izany toerana izany sy ny Administration penitentiaire  Antananarivo ity antsan-kira ity ary handrenesana hira 15 ka hifandrimbonan’ny mpikambana miisa 25 eo ho eo. Natao flyers ity afisy ity […]

Tohiny ...


Fanamarihana ny faha 20 taona SLK Ambatonakanga

« Lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra ireo » 1 Tan 9: 13b Manasa antsika mpianakavin’ny Tompo ny SLK Ambatonakanga noho ny fanamarihana ny faha 20 taonany.  Izany dia hotanterahana eto am-piangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny Alahady 20 Septambra 2020 amin’ny 8ora sy sasany maraina. Marihana fa fidirana tokana ihany. Maneho fisaorana mialoha ho antsika […]

Tohiny ...