Lehilahy Midera
FJKM Tranovato Ambatonakanga » Sampana Lehilahy Kristianina »Fanokanana ny SLK ANTANIMORA – Sampana Lehilahy Kristianina
« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » ASA 20:35 Finaritra! Noho ny fahasoavan’ny Tompo dia hiroso amin’ny fanokanana ny Sampana Lehilahy Kristiana tafajoro indray ao amin’ny Fonja ANTANIMORA ny Aumônerie FJKM miasa eny amin’izany toerana izany ny Alahady 22 May ho avy izao. Ankoatra ny fanompoam-pivavahana dia hanolotra Amboarankira manokana ny LEHILAHY MIDERA izay solotenantsika FJKM Tranovato […]
Toriteny an-kira – Lehilahy Midera
« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery » Isa 40.31 Ny Lehilahy Midera dia manasa antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny Toriteny an-kira izay atao ny Alahady 28 Novambra izao ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny 09 ora 30.Iarahana miasa @ aumonerie hospitalière HOMI Soavinandriana izay iadidian’ny mpitandrina Rodolphe RAHAINGONJANAHARY izay mpampianatra ao amin’ny Faculté de Théologie […]
Antsan-kira tany amin’ny fonja Antanimora – Teny fisaorana SLK
Fiadanana!Maneho fisaorana ny amin’ny fiaraha-mientena sy ny fitondrana am-bavaka tamin’ny hetsika famangiana teny Antanimora ny Alahady 26 Septambra 2021 teo ny LEHILAHY MIDERA. Nampahery indrindra ny sampana izany.Mirary soa mandrakarivaSamia tahian’Andriamanitra!
Antsan-kira Fonja Antanimora – LEHILAHY MIDERA
Ho fitoriana ny Filazan-tsara dia hanatanteraka antsan-kira ny LEHILAHY MIDERA any amin’ny Fonja Antanimora amin’ny alahady 26 Septambra 2021 maraina. Fiaraha-miasa amin’ny Aumonerie FJKM izay miasa eny amin’izany toerana izany sy ny Administration penitentiaire Antananarivo ity antsan-kira ity ary handrenesana hira 15 ka hifandrimbonan’ny mpikambana miisa 25 eo ho eo. Natao flyers ity afisy ity […]