Salamo 103 : 2 “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra”. Fisaorana an’Andriamanitra no asongadin’ity Salamo 103 ity. Tanisainy ao ny soa rehetra omen’Andriamanitra azy, ka maha-velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fanahy maha-olona mihitsy no velom-pisaorana satria mahatsapa fa lehibe loatra ny fitahiany sy ny fitantanany. Koa zava-dehibe ho an’ny […]
Vaomiera Fanompoam-pivavahana
FJKM Tranovato Ambatonakanga »Ny fiaraha-misakafo sy ny Fanjakan’Andriamanitra
«Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.» (Apok. 19,9) Teksta fototra : «Tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.» (Mat. 26,29) Ny Sakafo sy ny Hanina ao amin’ny Testamenta Taloha – Ny hanina dia ny sakafo natao hahavelona amin’ny alalan’ny […]
Mamonjy amin’ny fahotana ny Tompo
« Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Raha manaiky sy mankatò ianareo…» (Isa. 1, 18s) Ny fahotana, na dia afenina aza, dia mivandravandra eo imason’Andriamanitra. Mangatrakatraka sy midorehitra izany, ka mampiharihary ny faharatsian’ny ota. […]