Tantara

AMBATONAKANGA SY NY MISIONERA

Raha miteny hoe Ambatonakanga isika protestanta amin’izao andro ankehitriny izao dia ny trano fiangonana vita amin’ny vato no tonga ao an-tsaintsika voalohany ary vitsy ihany angamba no mba manadihady ny amin’ny antony sy ny fomba nahatonga azy io teo ; Izao fankalazana vanimpotoana maningana eo amin’ny tantaran’ny fiangonana izao no famohazana ny lasa satria adidin’izay mahalala no mampita izay fantany amin’ny taranaka mifandimby.

Koa mihevitra àry ny mpanoratra ity lahatsoratra ity fa tsara sy mety ny mampahalala ny rehetra fa matoa nisy ny fiangonana teto Madagasikara dia noho ny ezaka nataon’ny vahiny anglisy izay fantatra amin’ny anarana hoe « misionera ».

Tsy voambolana vaovao izy io ho an’ny efa ela nihetezana rehetra kanefa tsy mba teny henon’ny taranaka ankehitriny intsony kosa satria efa lasa daholo ireo misionera. Tsy azo atao nefa ny manadino fa miorina amin’ny lasa ny zava-drehetra ka izany no anton’ity famohazana azy eto ity amin’ny teny fohy ihany.

INONA MOA IZANY MISIONERA IZANY ?

Toerana falehan’ny tantsambo avy amin’ny firenena samihafa ny morontsirak’i Madagasikara ary izy ireny dia notondroina tamin’ny anaran-tokana hoe vazaha. Raharaham-barotra isan-karazany no nosahaniny teto fa tsy namela asa maharitra izy satria rehefa vita ny nataony dia lasa izy.

Taty amin’ny fiandohan’ny taon-jato faha-19 dia niova ny tantaran’i Madagasikara satria nifandray ara-diplomatika tamin’ny fanjakana anglisy izay iray tamin’ireo firenena natanjaka indrindra erantany ny mpanjaka Radama I ary nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa taminy. Tafiditra tao anatin’izany fifanarahana izany ny fangatahany mba handefasana mpahay taozavatra hampianatra asa vaovao an’ny vahoakany. Tsy nandà koa anefa izy ny hampianarana ny fivavahana kristiana teto.

Rehefa vita ny fifampirahararahana dia tonga tokoa ireo vazaha anglisy avy amin’ny London Missionary Society hanatanteraka io fanirian’ny mpanjaka Radama I io.

Fifanarahana politika teo amin’ny fanjakana roa tonta no nisy kanefa iraka avy amin’ny fikambanam-pivavahana kristiana no nalefa .Ny anton’izay dia izao : ity London Missionary Society, fantatra amin’ny fanafohezan-teny hoe L.M.S,ity ihany no fikambanana efa zatra naniraka olona nankany amin’ny bolabolan-tany atsimon’izao tontolo izao, ka efa nanana ny fahaiza-manao teo amin’izany andraikitra izany ,Izay no nahatonga ny fanjakana britanika nifanaraka taminy mba handefasany ireo sokajin’olona notadiavin’ny mpanjaka Radama I ireo. Olona efa nahazo fiofanana manokana na teo amin’ny ara-pahalalana, na teo amin’ny ara-tsaina ary indrindra teo amin’ny arapanahy ireo olona faniraka tao amin’ny LMS ireo, ary izy ireo no fantatra tamin’ny anarana hoe « misionera » rehefa nogasiana ny teny anglisy « missionary ».