Salamo 103 : 2 “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra”.
Fisaorana an’Andriamanitra no asongadin’ity Salamo 103 ity. Tanisainy ao ny soa rehetra omen’Andriamanitra azy, ka maha-velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fanahy maha-olona mihitsy no velom-pisaorana satria mahatsapa fa lehibe loatra ny fitahiany sy ny fitantanany. Koa zava-dehibe ho an’ny Fiangonana sy amin’ny fiainan’ny kristiana ny fanaovana voka-dehibe mba : hanehoany ny fanambinan’Andriamanitra azy sy ho fanambarany ny fitahian’Andriamanitra azy mandritra ny taona.
Noho izany, ireto zavatra telo ireto no antony hanaovan’ny Fiangonana ny voka-dehibe.
Ho Fisaorana an’Andriamanitra
Marobe ny fitahian’Andriamanitra omeny antsika. Tsy tambo isaina izany. Noho ny fitahiany no maha toy izao ny tena sy ny ankohonana ary ny fianakaviana mbamin’ny asa aman-draharaha, dia misaotra an’Andriamanitra izany ny mpanompony, ho fankasitrahana Azy.
Ny tsy mandinika sy tsy mieritreritra izany no tsy mahalala ny soa ataon’Andriamanitra aminy. Iza no naha-olona ny olona, raha tsy Andriamanitra irery ihany? Na ao aza ny fikelezan’ny olona aina mba hitady soa sy fitahiana ho an’ny tenany, raha tsy ao Andriamanitra mitahy sy manambina dia zava-poana ny ataony rehetra. Tsy tamin’ny herin’ny tena, ry havana, na ny fahaizana amam-pahalalana No nahazoana fanambinana sy harena fa avy amin’Andriamanitra irery ihany : “zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry, ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana. Izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy” (Sal.127: 2).
Mariky ny fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamanitra ny fanatanterahana ny adidy aty am-piangonana amin’ny alalan’ny voka-dehibe tahaka izao ataontsika ankehitriny izao, satria tsy vitan’ny vava fotsiny izany, fa tsy maintsy arahina asa koa izany fisaorana izany : “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? … Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho, eny, eo anatrehan’ny olony rehetra” (Sal.116: 12, 14).
Manome izay mahasoa antsika mandrakariva Andriamanitra, ry havana, noho ny fitiavany antsika. Ny fanefantsika ny adidy na voka-dehibe dia fanehoam-pisaorana an’Andriamanitra.
Ho Fideran’Andriamanitra
Tsy vitan’ny fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamanitra ihany ny fanaovana voka-dehibe atao ato am-piangonana fa ny tena fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra mihitsy koa.
Tsy noho ny fahaizan’olombelona no nahazoantsika fahasoavana sy fitahiana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra irery ihany koa. Izany no tokony ho tsarovana mandrakariva ao –tsaina sy ao am-po. Ny hita matetika anefa eo amin’ny fiainana dia izao : rehefa salama sy matanjaka ka mahazo zavatra ilainy eo amin’ny fiainana ny olombelona dia toa hadinony ny fisian’Andriamanitra loharanon’ny fitahiana rehetra, ka ailiny amin’ny hoe: vokatry ny fiezahany sy ny fikelezany aina manokana no nahazoany fitahiana. Ny tenany no derainy sy omeny voninahitra amin’izany fa tsy Andriamanitra.
Ny voka-dehibe ary, ry havana, dia tena fanomezam-boninahitra sy fiderana an’Andriamanitra mihitsy. Ny kristiana mahatsiaro ny fitahian’Andriamanitra dia miezaka manatanteraka izany ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany, satria Izy Andriamanitra no tompon’ny zavatra rehetra, ka maneho izany eo amin’ny fiainantsika zanak’olombelona. Koa izany no iantsoana ny olona hoe : “Mankalazà (miderà) an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra” (Oha.3: 9).
Ho fanoloran-tena ho an’Andriamanitra
Tadidio fa ny vokatry ny asantsika rehetra, na ny vokatry ny tany, na ny vokatry ny saintsika dia avy amin’Andriamanitra avokoa. Fanolorana ho antsika avy amin’Andriamanitra ireny. Matoa manan-karena isika dia noho ny fombàny, matoa manana ny ampy isika dia noho ny fanampiany. Ary aoka ho ao an-tsaintsika fa Fitiavan-dehibe no natolotr’Andriamanitra ho antsika ankoatra ny fanomezana sy fitahiana voatanisa rehetra teo, tamin’ny nanolorany ny Zanany Lahy Tokana dia i Jesoa Kristy izany. Tsy azo vidiana na azo atakalo akory ny fanomezan-dehibe nomen’Andriamanitra antsika, dia ny famonjena antsika izany. Noho izany, dia aoka amim-pitiavana no hanolorantsika koa izay tsara indrindra azontsika taminy, dia ny fanolorantsika ny tenantsika ho Azy.
Koa ny fanaovana izao voka-dehibe izao dia atao mba hanolorana izay heverin’ny tena ho valin’izay natolotr’Andriamanitra antsika izay. Noho izany dia fanomezana avy amin’ny fo izany, ka midika fanolorantena ho an’Andriamanitra, dia fanoloran-tena ambara fa fanati-pankasitrahana an’Andriamanitra atolotra Azy : “Hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra” (Rom.12: 1).
Ry Fiangonana malala, ho fankasitrahantsika an’Andriamanitra noho izany fitahiany lehibe izany dia andeha hisaotra, hidera Azy isika, ary hanao fanatitra ombam-panoloran-tena, satria mbola nomeny, fotoana hahazoana manatanteraka izany ankehitriny, ka hanao karazam-panekem-pinoana am-pahibemaso amin’ny alalan’izao voka-dehibe ataontsika izao; ka tsy hisatry fanahy amin’izany, fa hikely aina fatratra mba hanatanteraka izany amin’ny fifaliana :
“Aoka ny olona rehetra samy hanao izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo na amin’ny faneriterena, fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” (II Kor. 9: 7)
“Koa manatera fanati-pisaorana hio an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao” (Sal.50: 14).
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra!
RAMIANDRISOA Félicie, Loholona